Fandriampahalemana

Mpitandro ny filaminana Malagasy Natao handrava grevy fotsiny ve sisa ?


  • Sabotsy 22 Jolay 2017

Tsy sanatria hanao fitsikerana be fahatany fa tsikaritra ho modraka sy tsy mahita atokona manoloana ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena ny mpitandro filaminana, fa manana ny hery tsy hay tohaina kosa amin’ny endrika famoretam-bahoaka sy amin’ny zavatra tsy dia laharam-pahamehana loatra.

 

Voabaikon’ny mpitondra sy toa entiny amin’ny sangany, indrindra fa ireo lehibe, ka dia lasa fitaovana politika sisa. Mibaribary fa ampy fitaovana sy matanjaka rehefa hanakana antoko iray tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra hanamarika ny tsingerin-taonany, ka saika ny lehiben’ny mpitandro filaminana eto amin’ny firenena no miara-mijoro sy milaza fa loza mitatao ho an’ny filaminam-bahoaka izany. Resaka horonan-tsary any anaty fesiboky sy aterineto momba ny fanaovana mpanakanto iray akanjona mpitandro filaminana no mampidingin-drambo sy hanaovana fanambarana miezinezina fa ho hentitra amin’ny fanenjehana. Milaza ho tsy ampy fitaovana, tsy manana solika, tsy ampy olona, mila tambin-karama,… kosa rehefa mba ny vahoaka no mila vonjy. Fahafaham-baraka tsy roa aman-tany ho an’ny mpitandro filaminana, ohatra, ny nandre nandritra ilay fanafihana taksibrosy tany Ambalavao any amin’ny RN7 fa sahy nifanatrika tamin’ny dahalo ny mpitandro filaminana, nisy fa nandositra no natao. Resaka fesiboky sy horonantsary na fankalazan’ny antoko iray ny tsingerin-taonany ve hampidi-doza mihoatra ny jiolahy manafika sy mamono olona sy ny dahalo mpangalatra omby sy mpanakan-dàlana?

Fanitsakitsahana lalàna

Lalàna iraisam-pirenena ny tsy fahafahana mitondra sy mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika rehefa misy ny hetsika toy ny famoriam-bahoaka, ary maro ireo dingana sy fepetra tokony harahina toy ny hoe “baton” no entina, rano no hitifirana sy hanapariahana olona,…saingy tsy hay na tsy fantatry ny mpitandro filaminana Malagasy na eto amintsika mihitsy no hafa mihitsy ny lalàna? Tahaka ny hifanandrina amin’ny dahalo sy ny jiolahy na ny mpanani-bohitra avy any ivelany ny fihetsika manoloana ny vahoaka tsy manana afa-tsy tanam-polo. Nisy ihany koa ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana mitondra ny laharana 02-HCC/AV tamin'ny 16 septambra 2011 mifandraika amin’ny voalazan'ny fehezan-dalàna  56, 65 ary ny 95-II ao anatin’ny lalàmpanorenana momba tsy tokony hampiasan’ny manampahefana sivily azy amin'ny tsy tokony ho izy na ho an'ny tanjona ara-politika na ho amin’ny tombontsoa manokana. Iaraha-mahita anefa fa ho amin’ny tombotsoa politikan’ny mpitondra no tena hampiasanana ny mpitandro filaminana, saingy efa fanjakan’ny manana basy ama-tafondro ny eto, ka samy manao izay tiany…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT