MPITANDRO NY FILAMINANA

Hiasa avokoa mandritra ny fety


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Naato ny fakana permission ho an’ny mpitandro ny filaminana rehetra eto an-drenivohitra mandritra izao

fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Hiasa andro aman’alina izy ireo ka ankoatra ny fitsirihana ireo karazana elakelan-trano dia fantatra fa nampitomboana ihany koa ireo mpanao fisafoana amin’ny alina. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fitiliana ireo fiara miditra sy mivoaka eto an-drenivohitra na amin’ny lafiny ara-teknika izany na ara-taratasy. Hohetsehina avokoa na ny polisy na ny zandary raha araka ny fanazavan’ny lehiben’izy ireo raha anisan’ny tanjona hokendrena kosa ny hahafahan’ny mponin’Antananarivo renivohitra manao fety sambatra ao anatin’ny filaminana sy fitoniana. Tsiahivina moa fa fotoana tena fanararaotan’ireo mpanao ratsy ny vanim-potoana tahaka izao. Hataony ripaka hatramin’ny lamba miahy eny amin’ny tady raha vantany vao mangingina ny tanana. Tsy lazaina intsony ny andron’ny sasak’alina sy ny faran’ny taona fivoahan’ny isan-tokantrano mankany am-piangonana…ka ilana fitandremana sy ny fanohanan’ny mpitandro ny filaminana.
Pati
Legende : Tsy hitsitsy ireo tratra manararaotra ny mpiara-belona tahaka izao ny mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT