Fandriampahalemana

Mpitandro ny filaminana Efa miomana amin’ny mety hisian’ny hetsi-bahoaka


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Nanatanteraka fanazaran-tena mikasika ny GDF na «Gestion Démocratique des foules » ireo mpianatra ho manamboninahitra eo anivon'ny Akademia Miaramila androany 17 janoary 2023

miaraka amin' ireo miaramila mpiofana eo anivon'ny ENSOA, ny Zandary eo anivon'ny Vondro-tobim-paritry ny Zandarimaria Vakinankaratra ary ny Polisy eo anivon'ny Fitaleavam-paritry ny filaminana anatiny aoVakinankaratra, araka ny fampitam-baovao ofisialy nataon’ny Minisiteran’ny Firovam-pirenena omaly. Nanatrika ny fizotry ny fanazaran-tena ny Kaomandin'ny Akademia miaramila, ny jeneraly Pikulas Démosthene. Atao io satria tafiditra anatin'ny programa-piofanana amin’ny fitandroana ny filaminana tanteraka moa izao hetsika izao, hoy hatrany ny tatitra. Nambara fa tanjona ny hisian’ny fandrindran’asa eo amin’ny samy mpitandro filaminana amin’ny fanomanana ireo mpitandro filaminana amin'ny tranga rehetra mety hisy eny anivon'ny firahamonina. Na izany aza, misy lanjany lehibe ara-politika io, ary misy ny mandika avy hatrany fa efa fiomanana amin’ny mety hisian’ny hetsi-bahoaka na toe-javatra mitovitovy amin’izany mety hiseho aoriana kely izany. Kihon-dàlana lehibe ara-politika rahateo ny 2023 izay hiatrehantsika fifidianana, raha voahaja an-tsakany sy an-davany ny tetiandro. Ahiana anefa ny mety hisian’ny gidragidra ara-politika na hetsika ara-politika na koa hetsi-bahoaka, raha toa ka tsy voalamina mialoha ny fitsipi-dalao hiatrehana ny fifidianana. Maro no mihevitra, fa hanao izay fomba rehetra hifikirana amin’ny fahefana ny Fanjakana Rajoelina, ary ahiana hanao fitaovana ny mpitandro filaminana ho fiarovan-tseza. Taratr’izany ny pi-maso matetika ataon’ny Filoha amin’ny tafika, toy ny tamin’ny 22 desambra 2022 raha nanolotra faneva ireo jeneraly 25, izay nilazan’Atoa Rajoelina hoe : “Tsy mila korontana ny firenena,… Fefiloha hanakana izay mihoa-pefy mikasa handetika ny firenena, miaro ny ambana na avy ato anatiny na avy any ivelany ianareo,…”. Matetika no andrenesana ny Filoha milaza fa ny Fanjakana entiny no tena nitsinjo ny tafika hatrany, toy ny ara-pitaovana,... Henjana ny fanambaran’ny Minisitry ny fiarovana tamin’io 22 desambra 2022 io, fa “Fatra-panaja ny lalàmpanorenana sy ny safidim-bahoaka ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana; manaja ny safidim-bahoaka! Ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina no nofidian’ny vahoaka, ary izy no lehibe faran-tampon’ny foloalindahy, ka izahay rehetra izao dia miaro ny safidim-bahoaka satria olona avy any amin’ny vahoaka ny Filohan’ny Repoblika. Izao mpitandro ny filaminana rehetra izao dia ao ambadiky ny Filohan’ny Repoblika...”. Lojika ny fanambarany, ary adidin’ny tafika izany. Tsara anefa ny mampahatsiahy kely, fa olona voafidim-bahoaka no naongan-dRajoelina ny 2009, ary isan’ny natao fitaovana ny ampahan’ny tafika, saingy ririnin-dasa tsy tsaroana . Sanatria ve izany dia holalaovina hatao fitaovana handrobana fahefana sy hibodoana fahefana hatrany ny mpitandro filaminana izay tsy olon-kafa akory fa avy amin’ny vahoaka? Sanatria ve dia andeha hampifandrafiana sy hampifanandrinana hatrany amin’ny Malagasy tofoka sy leo famotehana firenena ny mpitandro filaminana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT