Fandriampahalemana

Mpitandro filaminana manao herisetra Hosaziana izay hita porofo an-tsary


  • Alarobia 10 Jona 2020

Anisan’ny miteraka resakabe ao anaty tambajotran-tserasera facebook amin’izao ny mikasika ny fihetsika tsy manaja ny zon’olombelona sy ny herisetra voalaza fa hataon’ireo mpitandro ny filaminana nalefa hiasa any Toamasina.

 

 

 

 

Namaly izany ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa kaomandin’ny zandarimariam-pirenena omaly no sady filohan’ny Emmo. Nambarany tamin’izany fa azo resahina am-bava fotsiny daholo ny zavatra hataon’olona iray amin’izao na dia tsy hataony akory aza izany. Ny tena tsara hoy izy ao anatin’izao fandrosoan’ny teknolojia izao dia alaina sary mihitsy ilay herisetra nataon’ny mpitandro ny filaminana, alaina feo ihany koa ilay nanao izany raha azo hatao, alefa any amin’ny foibe, hahafahana mandray fepetra mikasika azy. Mikasika ny fandraisana an-tanana ireo mpitandro ny filaminana avy miasa any Toamasina indray rehefa vita ny 15 andro iraka nampanaovina azy ireo dia fantatra fa tsy maintsy hatao fitiliana avokoa izy ireo….mba tsy sanatria izy ireo indray no hanaparitaka ny tsimokaretina Covid 19 eny anivon’ny fiaraha-monina na koa any an-dakazerina. Nomarihiny manokana moa fa tsy maintsy eo hatrany ary vonona ny hiatrika ny zava-drehetra eto amin’ny firenena ny mpitandro ny filaminana rehefa misy zava-mitranga fa tsy entina amina fomba fijery toy ny hoe : ny basy ve no entina hamonoana viriosy any Toamasina….

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT