Fandriampahalemana

Mpitandro filaminana-BFM Feno 40 taona ny fiaraha-miasa


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Miisa 15 ny masoivohon`ny banky foiben’i Madagasikara (BFM) manerana ny nosy mba hiarovana ny vola mivezivezy sy ny fitahirizana azy dia manan-danja ny fisian`ny mpitandro filaminana amin`ireny toerana ireny hoy ny governoran`ny banky foibe,

 

 

 

 

  Alain Rasolofondraibe, nandritra ny lahateniny tamin`ny fankalazana ny fankalazana ny 40 taona ny fiaraha-miasa teo amin`ny fiarovana ny foibe toerana misy banky foibe  sy ny fitanteram-bola manerana ny nosy. Voalaza ao amin`ny satan`ny banky foibe  ao amin`ny lalàna faha 2016-004 ny 19 jolay 2016 sy ny lalàna faha 016-057 ny 02 febroary 2017 ao amin`ny and. faha 84  fa hiantohan`ny fanjakana ny fisorohana ny loza  sy ny fiaroavan`ny tranon`ireo banky foibe ary omena azy maimaim-poana ny mpiambina ilaina amin`ny fitondrana ny vola sy ny fananany. Marihana fa ahitana ny zandary, ny polisim-pirenena ary ny tafika Malagasy ny mpitandro filaminana. Tontosa omaly teo anivon`ny banky foibe Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia mpiara-miasa teo anivon`ny mpitandro filaminana sy ny banky foibe hanamafisana orina ny fiaraha-miasa efa hatramin`izay.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT