MPISOLOKY MANGATAKA « CODE M-VOLA »

Mahavita mandany fahana, mampiasa teknika hafa indray


  • Alarobia 26 Martsa 2025

Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.

Taorian’ny famitahana olona lazaina fa nahazo volabe avy atsy amin’ny orinasa zatsy na zaroa noho ny fisarihana natao dia miantso mivantana mihitsy indray izy ireo ankehitriny. Mahavita mandany fahana hatrany amin’ny 1.000 Ar raha kely handresena lahatra olona ka lehilahy no manao ilay asa ratsy. Mitonona ho mpiasan’ny orinasam-pifandraisana Yas izy mandritra izany ary miarahaba anao amin’ny anaranao feno mihitsy. Milaza izy aorian’izay fa mahazo bonus ilay olona antsoina ka asainy mitady finday hafa mba hiantsoany raha ilay finday niantsoany voalohany kosa no hampidirana ireo karazana tarehimarika nambarany fa hahafahana mamoaka ilay bonus, izay volabe tokoa. Ny tanjony amin’ilay tarehimarika betsaka hampidirina ao anatin’ilay finday anefa dia ny mba hahazoana ilay code Mvola. Tsy hanontaniany mivantana io fa haolankolany. Ohatra ny manao fandraikiraikena izy mandritra izany koa raha vantany vao azony amin’ny fomba hafa ilay code dia fantany daholo ny resa-bola rehetra ao anatin’ny findainao. Vantany vao misy Mvola milatsaka noho izany ao anaty kaontinao dia azony alaina. Raha misy vola ihany koa ao anatiny dia efa azony…Ho ana Renim-pianakaviana iray tratra ity fisolokiana ity dia tsy nisy vola tao anaty findainy. Nananan’ny Yas trosa ihany koa izy ka niato teo ilay mpisoloky izay tsy sahy niverina niantso intsony. Na izany aza bloquer ny kaonty Mvolany noho ilay code efa nosoloin’ilay mpisoloky ihany koa.
Pati
Legende : Diso be loatra ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny finday amin’izao ka ilana fitandremana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT