Fandriampahalemana

Mpisoloky eto an-drenivohitra Efa misy sahy manendrikendrik’olona sy mitory mihitsy


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Mivoatra manaraka ny toetr’andro ny paikady hampiasain’ireo mpisoloky eto an-drenivohitra. Rehefa tsy nandaitra intsony ilay misandoka ho mpiasan’ny JIRAMA ary miditra an-keriny any an-tranon’olona dia nahita fika vaovao indray izy ireo.

Taxibe nandalo teny amin’iny faritry 67 ha iny no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, omaly. Mianadahy izy ireo no niaraka raha araka ny fitarainana tovovavy kely iray. Rehefa samy nisisika hivoaka ny taxibe ireo mpandeha niala teo amin’ny 67 ha dia natsofok’ilay Rangahy teo amin’ny tananan’ity tovovavy kely iray ity ny sakaosy kely nentiny ary nolazainy fa nisy vola 300.000 Ar, hono, ka very. Io tovovavy kely io no nampangainy ho nanao izany. Nitsangana ilay Ramatoa iray namany nandritra izany ary nilaza fa tena marina fa nisy io 300.000 Ar io tokoa tao anatin’ny sakaosikelin’ity Rangahy ity namany ity ka very. Raikitra ny fifamaliana vokatr’izany ka navoakan’ny mpamily ilay taxibe sy ilay saofera izy ireo. Tsy nanaiky ireto mpisoloky ireto fa nentiny tany amin’ny biraon’ny polisy teo akaiky teo ilay tovovavy kely ary nametrahany fitoriana mihitsy. Tsy natahotra ihany koa moa ity farany raha araka ny fitantarany satria zavatra tsy nataony ary tsy nisy afa-tsy vola voafetra hataony saran-dalana sy sakafo atoandrony tany aminy. Nantsoina ny Ray aman-dRenin’ity tovovavy kely ity nandritra izany ka rehefa voaporofo tokoa fa tsy nangalatra itsy voalohany dia tsy taitra ireo mpisoloky nisintona ny fitoriany. Nanantena mafy ny hahazo ilay vola 300.000 Ar izy ireo saingy sendra ny nahay azy. Raha natahotra mantsy ilay tovovavy kely dia tsy maintsy nanao raharaham-pihavanana na dia tsy nangalatra aza dia azony ihany io lela-vola nolazainy fa very tao anaty sakaosiny io. Na ireo polisy aza gaga nahita ity trangan-javatra iray tetsy amin’ny 67 ha ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT