Fandriampahalemana

Mpisoloky amin’ny Mvola 40 tapitrisa Ar ny vola farany ambony azony


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Lehilahy iray 32 taona no sarona teny Ankaraobato afak’omaly Alatsinainy rehefa nisoloky tamin’ny resaka Mvola.

Raha tsiahivina dia aro ireo olona nametraka fitoriana sy fitaraianana tao amin’ny sampan-draharaha cybercriminalité an’ny polisy noho ny resaka fisolokiana Mvola . Rehefa avy manao opération Mvola any amin’ny cash point ireo niharam-boina dia maharay hafatra amin’ny somaiso na antso. Mitonona ho mpiasan’ny telma moa ilay mpiantso ary manambara fa « bloqué » ny compte mvola-ny. Mikorapaka ireo olona ka misy ny mamerina miantso rehefa mahazo ilay hafatra. Asainy manao opération sy asainy manao kaody ilay olona ary mahazo kaody hahafahany maka izany amin’ny «DAB » akaikikaiky na asainy alefa amin’ny nomerao hafa . Io zavatra asainy atao io anefa no ahafahany maka sy misintona ny vola rehetra ao anaty kaontin’ilay olona. Manoloana izany, nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana ; natao ny fikarohana ka tra-tehaka teny Ankaraobato ny lehilahy iray tompon'antoka tamin’izany. Ny fomba fanaon'ity lehilahy ity moa dia mody manao opération sy milahatra ao amin’ilay cash point ny tenany izany hoe : mba anisan’ireo manao "dépôt" ihany koa. Eo no hanararaotany mijerijery izay ho kinendriny no sady maka sary miafina amin’ny finday ; mandika ireo nomerao voarakitra sy voadika ao anatin’ilay cahier. Manana puce iray amin’ny anarany izy ary manana puce roa izay fanaovana fisolokiana fotsiny ampiasainy amin’ny finday izay novidiany teny amin’ny sisiny. Ny puce nampiasainy dia puce hitany ary mbola kaody "par défaut" no ao aminy ka afaka ovaina ny kaody. Ny tapak’ity taona 2022 ity dia efa mahatratra 40.000.000Ar na 200.000.000 Fmg ny vola azony tamin’ny puce iray nampiasainy. Izany hoe efa mihoatra an’io zany ny vola azony amin’ireo olona am-polony maro voasolokiny. Efa nanomboka ny volana janoary 2022 no nanaovany izao asa fisolokiana izao. Ireo olona manao dépôt moa no tena lasibatra amin’izany. Eny amin’ny cash point faritra 67ha rehetra sy Anosy moa no toerana fanaovany ny asa ratsy satria mahazaka solde ambony ireo toerana ireo. 2.000.000Ar ny vola farany ambony azony raha 50.000Ar kosa ny farany ambany. Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT