Mpisandoka ho mpiasan’ny JIRAMA

2 lahy voasambotra tao Antsirabe


  • Alarobia 20 Aogositra 2025

Lehilahy miisa 2 misandoka ho mpiasan'ny JIRAMA ary milaza ho mahatafiditra jiro

amina tokantrano iray ao anatin’ny iray volana monja no ravan’ny mpitandro ny filaminana tao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra. Tokantrano miisa 50 no fantatra fa efa nataony nahita faisana nandritra ny fandalovany tany an-toerana ary notakiany 300.000 Ar. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ny iray raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray. Tsiahivina hatrany fa tokony hanatona avy hatrany ny biraon’ny JIRAMA ny olona raha te-hahazo toro-hevitra momba ny fampidirana jiro ao an-tokantranony. Any ihany koa no hahazoana ny mari-bola tokony aloha fa tsy hatao any an’elakelan-trano no sady omena olona tsy fantatra tsy manana taratasy ara-dalana akory.
Pati
Legende : Mandeha hatrany ny fitakiam-bola hataon’ny mpisoloky amin’ireo tsy mahalala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT