Mpifoka rongony teny

Andoharanofotsy 3 lahy notazonina hatao famotorana


  • Talata 11 Jona 2024

Tena mirongatra ny fifohana rongony eto amintsika.

Tovolahy miisa telo no indray saron’ny zandary tao Ankadiefajoro, Fokontany Morarano, kaominina ambanivohitra Andoharanofotsy ny 08 Jona lasa teo. Raha ny vaovao azo dia nisy nampilaza ny zandary mpanao fisafoana tokony ho tamin'ny 08 ora alina. Tonga teny amin'ny toerana voalaza avy hatrany ny zandary ka hita teo amin'ilay toerana tokoa ireo tovolahy miisa telo voalaza ireo. Ankoatra ny rongony izay nofohan'izy ireo dia mbola nahatrarana fonosan-drongony miisa 16 fonosana miaraka amin'ny taratasy fifohana rongony tao anatin'ny Moto izay nentin'izy ireo. Fandikan-dalàna moa izao nataon'izy ireo izao koa tazonina noho izany izy ireo hatao famotorana sy fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy sy ilay moto nisy ilay rongony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT