Fandriampahalemana

Mpifankatia mpiketrika mangalatra Ilay vehivavy mody mividy,ilay lehilahy manitrika am-paosy


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Samy manao izay fomba hahazoany vola avokoa ny rehetra amin’izao. Tsy ny lehilahy irery intsony no manao izany fa misy vehivavy ihany koa.

Ho an’ny sasany dia mpifankatia mihitsy no indray mirotsaka an-tsehatra manatanteraka izany toy ireto tratra ambodiomby tetsy Mahamasina ireto. Mody miditra ao amin’ny trano fivarotana iray izy roa ka mody mijerijery entana. Mody mividy zavatra ilay vehivavy mandritra izany raha manararaotra maka izay zavatra mipetraka eo amin'ny latabatra fivarotana kosa ilay lehilahy rehefa variana ilay mpivarotra. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nampahafantatra ny Polisy miasa tsy lavitra io toeram-pivarotana io izy ireo. Tsy niandry ela koa ny mpitandro ny filaminana fa avy hatrany dia nisambotra ireto farany, ary rehefa nosavaina dia tratra tao am-paosin'ilay lehilahy ny finday sy ny vola 40 000 Ar nangalariny. Noentina avy hatrany teny amin'ny Kaomisarian’ny Boriboritany fahadimy moa ireto farany nanaovana fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto izy roa mpifankatia miketrika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT