Fandriampahalemana

Mpifaninana ho zandary 1500 Entanina hanao vaksiny ireo ho any Ambositra


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Nanao fampitam-baovao momba ny «Fanentanana hanao vakisiny ho an’ireo mpifaninana hiatrika dingana faharoa hidirana ho mpianatra ho zandary»

 

 ny Zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny Kaomandiny Jeneraly Andrianjaka Njatoarisoa. Nivoaka iny ny valim-panadinana dingana voalohany hidirana ho mpianatra ho zandary; arahabaina ireo izay afaka ary ampaherezina ireo izay voatery mbola hamerina. Ho an'ireo izay hiatrika ny dingana faharoa; dia manentana azy ireo ny eto anivon'ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena ny mba hanaovana vakisiny raha misy ny ahafahana manao izany mialoha ny hamonjena any Ambositra, hoy ny fampitam-baovao. Mpiadina 1500 any ho any mantsy no voatery hifangaro, ary ireo rehetra ireo dia avy any amin'ny lafivalon'ny Nosy. Ny valanaretina anefa dia mbola eo dia eo tokoa ary ny dingana faharoa dia mbola ao anatin'ny ririnina. Noho izany dia heverin'ny fibaikoana fa manana tombony be dia be ireo vita vakisiny satria afaka hiatrika ny fifaninanana am-pahatoniana tanteraka. Marihina anefa fa fanentanana no atao, ary tsy misy teritery, tsy ho sokajiana ho antony tsy handraisana mpiadina akory ny tsy fahavitana vakisiny fa mba ho tombony fotsony ho an’izay nahavita, koa mankasitraka anao nandray ny torohevitra, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT