MPIASAN’NY KAOMININA ANTSIRABE

Novonoin’olona rehefa nanjavona, hita omaly ny fatiny


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Renim-pianakaviana iray mpiasa eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’Antsirabe ,

Faritra Vakinankaratra nanaovana filazana fikarohana roa volana lasa izay Itompokovavy Harisoa Jouzier Noeline. Nandeha ny fikarohana azy nataon’ny zandary nandritra izany izay notarihin’ny kaomandin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Antsirabe izay manana fahaizana manokana amin'ny fikaroham-baovao. Nahetsika ny mpanome vaovaon'ny zandarimaria, nofotorina sy nohatomorina akaiky ny fahamarinan'ny angom-baovao ka fantatra fa novonoin’olona Itompokovavy ary nalevina avy eo. Tao amin’ny tokontanin'ireo namono azy ihany no nandevenana an’Itompokovavy. Voasambotra ireo mpiray tsikombakomba tamin'ny famonoana. Tsy tratra tao an-tranony kosa ireo tompon'antoka voalohany kanefa toky no omen'ny zandarimaria fa tsy maintsy hita izy ireo na ho ela na ho haingana. Ahiana ho fisolokiana sy resaka volabe no nahatonga ireo mpamono olona ho namono an-dRatompokovavy. Milaza ho manana tany hamidy ireto mpamono ka rehefa nirava avy niasa Itompokovavy dia nihaona tamin'ireo olon-dratsy. Ahiana ho izay vola vidin'ny tany izay no nahatonga ny famonoana feno habibiana an-dRatompokovavy. Efa natolotra ny fianakaviana moa ny razana ka avy hatrany dia nalevina tany amin'ny fasan-drazany ny razana.
Pati
Legende : Ilay toerana nandevenana an-dRatompokovavy sy ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny mpamono olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT