MPIANATRA MISOTRO SY MIDOROKA

19 no indray nosamborina tao Fianarantsoa


  • Zoma 24 Oktobra 2025

Andian- jatovo miisa 19 avy amin'ny sekolim- panjakana

miandahy sy miambavy, 16 ka hatramin'ny 18 taona no tratran'ny Polisin'ny kaomisaria foibe ao Ampasambazaha ( BFP - UIR) afak'omaly Alarobia 22 Oktobra tokony tamin'ny 10 ora tao ambadikin'ny Espace Andry Tsianolondroa. Ankoatra ireo mampiaraka dia nisy ireo tratra teo am- pisotroana " toaka" , ka avy hatrany dia noentina tany amin'ny kaomisaria foibe. Nanarina sy natsoina ny Ray aman-dRen'izy irel ny sy tompon'andraikitra avy amin'ny sekoly nianarany. Fantatra moa fa 1 amin'izy ireo ihany no ampy taona fa ny 17 ambiny dia kilasy famaranana avokoa. Fantatra moa fa efa nisy ny fanentanana sy fampahafantarana natao tamin'ireo mpivarotra toaka sy zava-mahadomelina ao Fianarantsoa mba samy hitandrina izay tsy maintsy ho tonga amin'ny fanasaziana sy fisamborana ihany.
Pati
Légende : Ireo andian-jatovo tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT