MPIANATRA HO ZANDARY ANDIANY FAHA-79

Nampitomboana 300 isa ireo horaisina


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

Nampitomboana 300 isa ny isan’ireo mpianatra ho zandary andiany faha-79 horaisina amin’ity taona ity.

Raha 1.200 isa izany teo aloha dia lasa 1.500 isa amin’izao hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra sy hanatevenana ny isan’ny zandary eny amin’ny toby. Notanterahina nanomboka afak’omaly Sabotsy 14 Septambra ny adina an-tsoratra izay nanadinana ireo mpiadina ny taranja Malagasy sy Matematika ary ny Frantsay raha nofaranana omaly Alahady 15 Septambra kosa izany. Nambaran’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay nidina ifotony nijery azy ireo moa fa izay mahay ihany no afaka. Tsy ekena ny kolikoly hoy izy. Hiarahany miasa amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly mantsy ny fanaraha-maso ny fanadinana. Tena mety sy mahafinaritra ny fivoarana tahaka izao na arak’isa na ny ady amin’ny kolikoly. Ny mampanahy ny vahoaka anefa dia tena mba hanao ny asany marina ve ireny zandary vao mivoaka ireny sa hanatevina ireo namany maka vola sy manao kolikoly fotsiny ?
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny adina an-tsoratra natrehin’ireo mpiadina afak’omaly Sabotsy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT