MPIANAKAVY NIFAMALY

Maty voatsatok'antsy ny iray, ho any am-ponja ny iray…


  • Talata 12 Aogositra 2025

Nitrangana toe-javatra mampalahelo teny Ambohinosy, Antanety II,

distrikan'Antananarivo Atsimondrano ny 09 Aogositra lasa teo. Lehilahy miisa 2 samy ao anatin'ny fianakaviana iray no nifamaly mafy tao amina tokantrano iray. Vokany, namoy ny ainy ny iray raha tsy maintsy handeha higadra ny iray. Raha araka ny fantatra dia fifampikasihan-tanana no niandohan'ny raharaha. Nihafara tamin'ny tsatok'antsy izany ka voatery niditra an-tsehatra ny zandary rehefa nantsoina. Nisy ihany ny ala nenina natao tamin'ilay lasibatra nandritra izany nentina namonjy toeram-pitsaboana saingy tsy tana ny ainy.
Pati
Légende : Ity ilay ranamana nentin'ny tendrom-po tsy mba namana ka nahafaty olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT