Mpianaka nanjavona

tao Faratsiho Tsy nisy naka an-keriny,


  • Zoma 14 Aogositra 2026

nataon-dreniny sorona ilay zaza...

Nivoatra ny fanadihadiana mikasika ilay tranga mampalahelo tao Ambatomitety, Fokontany Antanetibe, Distrikan’i Faratsiho, taorian’ny tsy nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy vao iray volana, ny Zoma 31 Jolay 2026. Nandritra ny fikarohana nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ary ireo manam-pahefana dia hita ny Alahady 02 Aogositra 2026, teo amin'ny 30 metatra miala ny tranon’izy ireo, izy mianaka. Efa tsy nisy aina intsony anefa ilay zaza, izay voalaza fa tao anatin’ny akanjon-dreniny. Voalaza tamin'izany fotoana izany fa hoe nisy naka an-keriny izy ireo, ary novonoina natao sorona ilay zaza, nakapoka tamin'ny vato ny lohany. Tsy nijanona teo anefa fa niroso tamin’ny fanadihadiana ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariam-pirenena tao Faratsiho. Fantatra nandritra izany fa nandeha tany amin’ny mpisabo nentim-paharazana (mpimasy) izy ireo, ka voalaza fa nataony sorona ilay zaza. Araka ny vokatry ny fanadihadiana, dia niaiky tamin’ny famonoana ilay zaza ny reniny, niaraka tamin’ny mpisabo nentim-paharazana iray, hoy ny tatitra. Olona telo no voakasika tamin’ity raharaha ity no natolotra ny Fampanoavana ny Alarobia 12 Aogositra 2026, ka nidoboka am-ponja vonjimaika izy telo mianaka, nahitana ny mpimasy, ny renin’ilay zaza ary ramatoa iray havan’ny renim-pianakaviana izay nampifandray tamin'ilay mpimasy. Tonga hatramin'ny fisavana lozoka na lavabato voalaza fa fitrandrahana harena moa ity raharaha ity tamin'ny fahitana azy mianaka tamin'ny voalohany. Hafa mihitsy ny fipetraky ny tantara, fa hay ny reniny ihany no nandatsaka ny ain-janany, raha ity fivoaran'ny raharaha ity.
Nangonin'i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT