Mpianaka

nalaina an-keriny Novakiana ny lohan’ilay


  • Alatsinainy 03 Aogositra 2026

zaza, natao sorona

Vehivavy atao hoe Haingo vao 20 taona sy Lucas zanany (1 volana sy herinandro) no natao ombay mitady rehefa nanjavona ny zoma 31 jolay teo tao amin’ny fokontany Antanetibe Faratsiho. Hita omaly maraina tsy lavitra ny tranony izy mianaka, saingy efa tsy nisy aina intsony i Lucas, nataon'ny reniny tao anaty akanjony. Ilay reniny kosa voalaza fa toa tsy tompon'ny tenany. Raha ny fizahan'ny dokotera dia potika ny karan-dohan'ilay zaza. Nilaza ny reniny fa nisy olona nitondra izy mianaka ary toa tsy tompon'ny tenany izy. Niteny taminy ireo olona fa hatao sorona ny zanany. Ary nakapok'izy ireo tamin'ny vato ny lohany. Rehefa vita ny nilain'ireo olon-dratsy, dia naterin'izy ireo tsy lavitra ny tranony i Haingo niaraka amin'ilay zanany efa maty, ka omaly maraina no hitan’ny fokonolona. Tranga mampivarahontsana. Efa vita ny fandevenana raha vantany vao vita ny fanadihadiana, raha nentina notsaboina kosa ilay vehivavy izay naratra mafy. Nisy ny fizahana teny amin’ny vatobe voalaza fa nnaovana sorona, izay nisy ny lozoka na lavabato lalina fitrandrahana vato. Andrasana ny tohiny sy ny fanadihadiana lalina mety ahitana ny atidoha tao ambadik’ity tranga mampivarahontsana ity. Tao Farantsiho izay tsiahivina fa nisy ilay fitsaram-bahoaka mahatsiravina nandorana velona lehilahy iray voatondro ho mpangala-jaza, saingy nisy ihany koa ny fandisoana fa olona tsy salama saina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT