Fandriampahalemana

Mpiambina nanafika Banky 60 tapitrisa ariary no tafavoaka tao amin’ny “GAB”


  • Zoma 25 Mey 2018

Ny hiaro ny orinasa no nanakaramana ireo mpiambina tsy miankina nataon’ity banky iray vao nifindra tsy ela tao amin’ny foibeny vaovao amin’ny Bd Joffre.

Ny mpiambina karamaina indray anefa no namaky azy ka nahaverezam-bola tao aminy. Ny alatsinain’ny pentekosta teo izay fotoana mangina, tao anaty orana rahateo no nohararaotin-dRandrianantenaina François, mpiambina, 29 taona novakiana ity banky ity, izay efa ela no nanomanany azy, araka ny filazan’ny kaomisera misahana ny heloka bevava Toamasina. Ny varavarankely tao an-damosin’ilay banky izay misitrika ao anaty fiantsonan’ny fiara ambanin’ny tany no novakiany tamin’ny “barre à pince” nidirany tao anatin’ny birao fiasan’ireo mpiasan’ny banky. Vao tafiditra anefa izy satria hainy tsara ny fisian’ireo “cameras” mameno trano ao amin’ity banky ity, dia narovany mafy tsy hisy hahalala azy tamin’ny fanaovany saron-tava samy hafa. Natombony tamin’ny famakiana ireo “coffres” tamin’ireo birao fiasan’ny mpiasa ny halatra nokasainy atao, saingy tsy nisy na iray aza vakiny ireo “coffres” ireo ka nifindra tao amin’ilay fizarana vola elektronika (GAB) izay tao anatin’ny efitra nidirany ihany ny varavarana miditra izany. Lasany ny vola rehetra ambiny tao anatiny izay tsy nahazoana fanazavana ofisialy ny sandany. Ny angom-baovao samy hafa no nahafantarana fa manodidina ny 60.000.000 ariary, ambin’ireo tsy nalain’ny mpanjifa ny faran’ny herinandron’ny pentekosta. Ny fahitan’ny mpiasa ny zava-nisy ny talata no nametrahan’ny tompon’andraikitra ny banky fitoriana teo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava, ka nanomboka avy hatrany ny fikarohana. Nambakain’ny peratra tamin’ny rantsan-tanany izay adinony ingahy François mpiambina. Raha nosavaina ny tranony ny alarobia hariva teo dia tratra tao aminy ireo fitaovana nampiasainy sy ny vola ambiny avy nangalariny mitentina 40.000.000 ariary. Tao ireo nasitriny tao anatin’ny sakosy misy ny lambany tao kosa ireo naleviny tao an-tokotaniny. Niaiky ny heloka vitany ny tenany ary nilaza fa izy irery ihany no nanao ny famakiana banky sy nangalatra ny vola. Na ny vady aman-janany aza tsy nahalala ny heloka vitany akory. Efa eo am-pelatanan’ny fitsarana ny raharaha. Araka ny vaovao azo farany dia miandry fitsarana any am-ponja ingahy R. François.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT