Mpanolana vao nivoaka ny fonja

Namerin-keloka sahady


  • Talata 14 Mey 2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

taona, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Voatondro ho nanolana zazavavy 17 taona indray izy ankehitriny. Mpianatra ao amina lisea iray any Bealanana no nanaovany ny filan-dratsiny ny 21 aprily 2024, tokony ho tamin'ny 4 ora hariva teo, tany Bealanana I. Nandritry ny fanadihadiana nataon'ny polisy dia niaiky tokoa izy fa nanolana io zazavavy 17 taona io. Ho atolotra ny fitsarana any Antsohihy indray izy aorian'ny famotorana atao aminy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly. Ity tranga ity izany no tonga amin’ilay fomba fiteny hoe ny mpanolana dia mpanolana hatrany raha toa ka tena namerin-keloka tokoa. Mpanolana vao nivoaka ny fonja dia namerin-keloka sahady.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT