Fandriampahalemana

Mpangarom-paosy anaty taxibe Efa fantatry ny mpamily sy ny resevera ny ankamaroany


  • Alatsinainy 07 Jona 2021

Mirongatra sy mahazo vahana ireo mpangarom-paosy any anaty taxibe eto an-drenivohitra tato ho ato.

 

 

Mitombo isan’andro ireo olona nitaraina ho very vola na entana rehefa mitaingina azy ireny. Amin'ilay misisika miditra na mivoaka ny fiara iny no tena fanaovan' ireo tsy mataho-tody ny asa ratsiny. Roa na telo izy ireo no indray miaraka ka misy ireo mody misisika sy mibahana, raha mangarona ny paosy sy ny kitapo na poketra ny sasany.Tsy mijanona ela anaty taxi be izy ireny "mpisama" fa afaka arrêt 1 na 2 dia miala rehefa azony izay ilainy. Raha ny fanehoan-kevitry ny mpandeha moa dia fantatry ny sofera sy ny resevera tsara ireny mpangarom-paosy ireny saingy matahotra ny ainy ireto farany. Nisy mantsy ireo efa voahambana tamin’ny antsy taorian’ny nilazan’ny resevera iray fa nisy mpangarom-paosy eo akaikin’ny mpandeha iray. Tokony ho sofera sy resevera tsy matahotra mpangarom-paosy araka izany hoy ny olona no hampiasaina hanampiana ireo mpanjifa. Na izany aza anefa dia misy kosa ireo resevera sy sofera efa mampitandrina ka ny fitandremana sisa no tokony hatao be dia be.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT