Fandriampahalemana

Mpangalatra tamana any am-ponja Misy tsy te-hisasatra sy tsy te hiasa saina intsony


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Raha toy ny helo faharoa ny fijerin’ny rehetra ny fiainana any am-ponja amin’ny ankapobeny dia tena fiaraha-monina mirindra sy milamina ny any ho an’ireo mpanao ratsy sasany.

Toa satrin’izy ireny mantsy hijanona hiaina eny anivon’ireny toeram-pamonjana ireny toy izay hiverina hiara-hirihariha amin’ny fianakaviany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’i Jao, tovolahy iray mpanao hala-botry ary efa in-telo niditra teny Antanimora dia aleo mijanona eny. Eny aho hoy izy tsy mieritreritra izay sakafo hanina isan’andro fa mihinana foana na mangahazo aza. Eny koa aho hoy izy mana-namana ary mba misy mihaino ny fitarainako. Efa kamboty Ray sy Reny mantsy i Jao ary nipetraka taman-kavana. Raha araka ny fanazavany dia sady matin-draharaha izy nefa kely ny sakafo omena azy, antony nanosika hangalatra. 18 taona i Jao no nanomboka nangalatra ka niantomboka tamin’ny kisoan’olona teo an-tanana izany izay saika namoizany ny ainy tokoa noho ny vono nahazo azy. Tamin’ny voalohany hoy izy dia tena mafy ilay niditra teny Antanimora. Niezaka ny ho hendry aho hoy izy mba hiverenako eny anivon’ny fiaraha-monina saingy tapitra nanilika ahy avokoa ireo havako rehefa nivoaka aho ka naleoko ihany nangalatra dia niverina teny am-ponja. Nomarihin’i Jao moa fa hahalalana zavatra betsaka eny am-ponja. Anisan’izany ny tantaram-piainan’olona maro isan-karazany, ny anatra entin’ny fiainana, nefa hita any ihany koa hoy izy ilay tena fifankatiavana misy eo amin’ ireo voafonja izay tena mifampitondra toy ny mpirahalahy tokoa na mpianaka mihitsy ny sasany. Na izany aza anefa dia nambaran’ny psikology iray fa anisan’ny olana ara-tsaina mety mahazo ireo olona mifonja ihany koa ny tahaka izany ho an’ny sasany.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT