Fandriampahalemana

Mpangalatra sady mpanolana Nafahana noho ny fisalasalana


  • Zoma 14 Jolay 2017

Lehilahy iray voatondro fa nangalatra sady nanolana vehivavy no nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana tany Antsirabe.

 

 Raha tsahivina, nitrangana halatra narahina fanolanana nisesisesy tany Antsirabe faharoa sy ny manodidina teo aloha teo. Anisany ny tao amin’ny kaominina Ambano, nialoha ilay nitranga tany Antsahatanteraka. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany. Fantatr’ ilay vehivavy voaolana ilay nanolana azy nandritra ny fanafihana nihatra tamin’izy ireo. Rehefa tratra ilay lehilahy iray nosamborina tao Mahazoarivo dia nantsoin’ny mpitandro ny filaminana ireo lasibatra mba hanamarina raha anisan’ireo nanolana azy ilay lehilahy tratra. Nanamafy ary ilay voaolana fa izy, araka ny fitoriana efa nataony, ity tratran’ny mpitandro filaminana ity. Notanana am-ponja vonjimaika io satria mbola nisy afera hafa ihany koa nahavoasaringotra azy tamina fanolanana ihany. Ny alatsinainy teo dia niakatra fitsarana ny raharaha. Afaka noho ny fisalasana anefa izy. Mahalasa saina ny maro ny namoahan’ny fitsarana ny didy ka mahatonga ny tantsaha ho tsy matoky ny fitsarana. Natao ho an’ny manam-bola ve ny fitsarana ? Nampiakatra indray ireo niharam-boina ka ho hita eo ny tohiny.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT