Fandriampahalemana

Mpangalatra omby tao Andriatany, Iarinarivo Tafaporitsaka ny roa, saiky niharan’ny fitsaram-bahoaka ny roa hafa


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Nofatoran'izy efadahy teo amin'ny tahon-goavy naniry ilay omby nangalariny ary lasa nisotro toaka tsy lavitra teo ry zalahy,

hoy ny fampitam-baovao mikasika ny trangana halatra omby tao Andriantany, kaominina Iarinarivo, ny sabotsy teo. Ny tompon'omby sy ny mpanaradia anefa nanaraka taty aoriana, izay tsy nampozin'izy ireo. Nojerena ny omby teo am-body goavy nandrasana izay olona handroaka io omby io. Voasambotra ny roalahy, ny roa hafa kosa tafaporitsaka. Omby avy any Ankadimainty, Ambohidratrimo ity nangalaran'izy ireo, ary tao Andriantany, kaominina Iarinarivo no nahatratrarana azy. Tonga ara-potoana ny zandary naka ireo olon-dratsy izay saika niharan'ny fitsaram-bahoaka, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT