Mpangalatra moto teny Tanjombato

Natosiny teny Ankadinandriana niaraka tamin’ny rongony


  • Talata 26 Septambra 2023

Lehilahy iray 27 taona no tratran'ny Polisy miasa ao Tanjombato nangalatra moto teny Ankadinandriana ny Sabotsy

teo tokony ho tamin'ny 10 ora alina. Moto na mpitandro ny filaminana iray mipetraka eny Ankaraobato ihany no nangalariny izay nampandre ny Polisy avy hatrany ihany koa taorian’ny zava-nitranga. Tonga teny an-toerana moa ireto farany nijery ny zava-misy ka rehefa natao ny fanarahan-dia dia tratra teny Ankadinandriana natosik'ity olon-dratsy ity io moto io. Rehefa natao ny fisavana azy dia mbola nahatratrarana fonosan- drongony iray ihany koa teny aminy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika omaly moa ny anaolahy taorian’ny fanadihadiana natao azy.
Pati
Legende : Sady mpangalatra ilay bandy ity no mpifoka rongony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT