Fandriampahalemana

Mpangalatra manararaotra fahasahiranana


  • Zoma 31 Martsa 2023

Saika matin'ny fitsaram- bahoaka ilay tovolahy

Nisahotaka ny fokonolon'Analanjahana Fokontanin'Androkaroka kaominina ambonivohitr'i Manararaotra ny marainan'ny 28 martsa teo. Nahatratra tovolahy iray nangalatra mantsy izy ireo izay nahatrarana entana halatra. Mahatsiaro ho sahirana loatra amin'ny fiatrehana ny fihainana mantsy ny tsirairay nefa mbola manao ny hataony ihany ireo mpangalatra. Niharan'ny fitsaram- bahoaka ilay lehilahy noho izany izay vao 32 taona monja. Ny sasany namely ny lohany. Ny sasany nikapoka ny tongony raha tsy vitsy ihany koa ireo nanala ny akanjony. Raha vantany vao nahare izany ny polisy dia tonga namonjy azy ka nitondra azy tany amin'ny mpitsabo. Somary voa mafy ihany moa ny lehilahy noho ny hatezeram-bahoaka nihatra taminy saingy tsy misy ahiana ny ainy hoy ny vaovao. Tsiahivina hatrany fa melohin'ny lalana ny fanaovana fitsaram- bahoaka. Eo an-daniny ihany koa anefa dia tokony ho tonga saina ireo.mpitandro ny filaminana sy ny eo anivon'ny fitsarana hanasazy ireo mpambotry fa tsy sanatria mifonja indray andro izy ireny dia miverina mirihariva eny anivon'ny fiaraha-monina indray.
Nangonin'i Pâti
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT