Mpangalatra finday any anaty Taksibe

Efa tena za-draharaha, iray nalefa eny Antanimora


  • Talata 28 Mey 2024

Voasambotry ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria CSP1 Analakely teny amin’ny

faritra Ambohijatovo ny lehilahy iray 29 taona ny tapaky herinandro lasa teo. Tratra ambodiomby noho ny resaka halatra izy io. Ny 22 May lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy 20mn raha tsiahivina dia nisy renim-pianakaviana niaraka tamin’ny fianakaviany nandeha taxi-be zotra 161. Rehefa nijanona teo Ampandrana ilay zotra dia nisy lehilahy niakatra ka nipetraka teo akaikin’iry voalohany. Rehefa nandeha ilay fiara dia nilaza ity farany fa iala eo Ankorahotra. iIlay zotra anefa tsy mandalo eny amin’io toerana voalaza io ka nidina teo Antsahabe teo amin’ny fiantsonana La Mascotte ny tenany. Taorian’ny fialany dia nahatsikaritra ilay ramatoa fa tsy tao anaty poketrany intsony ny findainy. Noho ny tonga teny Ambohijatovo anefa ny tenany dia talanjona nahita ilay lehilahy nipetraka teo akaikiny indray nidina tamin’ny taxi be zotra hafa 178. Niantso ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria CSP1 Analakely moa ilay vehivavy niharan’ny halatra. Nandray ny andraikiny ireo mpitandro ny filaminana ka nosamborina avy hatrany ilay lehilahy. Nandritra ny fisavana azy dia mbola tra-tehaka teny aminy ilay finday very tao anaty zotra 161. Noentina teny amin’ny biraon’ny Polisy avy hatrany ny anaolahy. Taorian’ny fanadihadiana natao dia natolotra ny Fampanoavana ary notanana am-ponja vonjy maika eny Antanimora izy. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT