Fandriampahalemana

Mpangalatra akoho ao Imerintsiatosika Zaza tsy ampy taona no lasa tontakely


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Mirongatra ny halatra akoho ao Imerintsiatosika ao. Ireo Fokontany eny ambanivohitra no tena mitondra faisana amin’izany.

Tokantrano 3 raha kely isan’andro no mitaraina ho very akoho. Samy malina nandray fepetra ny rehetra noho izany ka zazalahy kely samy mbola tsy ampy taona miisa roa omaly hariva tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany no sarona tao Ambiky, fokontanin’i Mamoladahy, kaominina Ambonivohitra Imerintsiatosika. Nosamborin’izy ireo ny akohon’olona saingy nisy nahita izy mirahalahy kely. Noraisim-potsiny izy ireo noho izany ka taorian’ny nanasazian’ny fokolona azy dia nentina avy hatrany niazo ny biraon’ny zandary izy ireo. Ahiahian’ny maro moa ny mety hisian’ny olon-dehibe na tambajotra mpivarotra akoho halatra maniraka azy ireo, izay fototry ny fanadihadiana hoataon’ny zandary amin’izy ireo. Nangonin’i Pati
Legende: Ireto izy roalahy kely tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT