Fandriampahalemana

Mpanendaka tratra teny isotry Nahitana diana seringue fitsindronana rôrô ny tanany


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.

Misy amin’izy ireny mantsy no mahavita fihetsika mamoafady sy feno habibiana mihitsy toy ireo mitondra famaky, antsy maranitra mba hamonoana ireo olona sendra azy. Tovolahy mpanendaka iray tratra teny Isotry omaly no fantatra fa nahitana diana seringue, fitsindromana roro ny sandrin-tanany. Telolahy izy ireo no niaraka raha araka ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena. Tafaporitsaka anefa ny roa ka ilay ranamana ity sisa no tratra izay fantatra fa efa mpamerin-keloka hikoizana. Ireo mponina eny amin’iny faritra Anatihazo Isotry iny no tena mitondra faisana amin’izany ka nitaraina tamin’ny tompon’andraikitra. Vao 22 taona anefa ilay ranamana ity. Afak’omaly 30 may no tratra ny tovolahy ka hiakatra fampanoavana anio alakamisy 01 jona.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy ikoizana amin’ny asa fanendahana eny amin’iny faritra Anatihazo Isotry iny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT