MPANENDAKA TRATRA TENY ANOSY

Tsy an’asa nefa be adidy, manenjika « versement »…


  • Zoma 09 Febroary 2024

Jiolahy mpanendaka iray efa tena hikoizan’ny olona eny

amin’iny faritra Anosy iny mihitsy no saron’ny Polisin'ny SAG afak’omaly 07 febroary. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahatsikaritra ity lehilahy iray ity somary hafahafa fihetsika ny polisy raha nanao fisafoana sy nitandro ny filaminana teny Anosy teny. Voatery nanatona azy ny polisy noho izany saingy nandositra avy hatrany ity farany izay tsy lasa lavitra akory dia voasambotra. Fantatra moa fa tsy an’asa izy nefa be adidy, antony nanosika azy hanendaka isan’andro eny amin’iny faritra Anosy iny. Manenjika « versement » mihitsy izy mandritra izany, hoy ny loharanom-baovao azo. Ny Polisy miasa ao amin'ny CSP5 no manao fanadihadiana ity jiolahy rain-dahiny amin’ny asa fanendahana ity.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy mpanendaka eny amin’iny faritra Anosy iny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT