Fandriampahalemana

Mpanendaka tratra teny Andoharanofotsy Niala maina ireo izay nidaroka azy


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Mpanendaka iray no saron’ny fokonolona saika hanao toy ny fanaony mahazatra omaly teny Miadamponina Andoharanofotsy.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nikasa hanendaka olona handeha hiakatra hamonjy an’Iarivo ity lehilahy iray ity. Nisy olona nahatsikaritra anefa izy nandritra izany ka tonga avokoa ny fokonolona nanao fitsaram-bahoaka azy. Ny nahavariana dia niala maina ohatra ny takotra avokoa ireo olona nidaroka azy. Efa nanaovana darok'alikan'ny tsy miala vola mihitsy ity lehilahy ity nandritra izany fa tsy nety naratra. Ireo mpidaroka indray no reraka talohany ka naterina teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ilay ranamana. Raha araka ny fanadihadiana natao manokana moa dia misy amin’ireo mpangalatra sy mpanendaka tahaka ireny no manao ody totohondry ka tsy maratra mihitsy rehefa darohina. Ho an’ireo efa dahalobe indray dia misy manao ody basy koa na tifirina im-betsaka aza tsy maty raha tsy hiandrasana an-kendry tohana mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Mbola nizesta be tahaka izao ilay mpanendaka nefa efa olona maro no nidaroka azy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT