MPANENDAKA TAXI MOTO

Tovolahy iray efa tena atidoha tratra tany Ambohimalaza


  • Talata 03 Jona 2025

Mpamily taxi-moto iray no voaendaky ny mpanao ratsy teo Ampanengenana Fokontanin' Andranonomby,

kaominina ambanivohitr' Ambohimalaza, distrikan' Antananarivo Avaradrano ny 26 May lasa teo tokony ho tamin'ny 09 ora maraina. Niantso vonjy haingana ny voaendaka ka ny mponina teo amin'ny manodidina no niantso ny mpitandro ny filaminana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nifanaraka tamin'ilay mpamily moto ny tovolahy iray fa hitondra azy ho any Ambohimalaza. Raikitra ny ady varotra. Nisy lehilahy iray voalaza fa dadatoa anefa noraisina teo amin'ny sampanana Imerinkasinina. Mbola notarihin'ity dadatoa niala tamin'ny làlana mangina anefa ilay taxi-moto fa misy taratasy alaina vetivety,hono. Notaomin'izy ireo hisotrosotro fa nandà ilay mpitondra moto ka avy hatrany dia namoaka big_boss izy roalahy nitifitra itsy voalohany, antony nahafanina azy.Natosik'izy ireo ilay moto Racing 150 avy eo. Vokatry ny fiaraha-mientan'ny fokonolona sy ny ezaky ny zandary anefa dia tsy lasa lavitra akory ilay mpanao ratsy dia tratra teo am-panosehana ilay moto. Ilay dadatoa kosa tsy hita izay nanjavonany rehefa niala teo amin'ny nahazoany ilay moto. Nosavaina ny tranon'ity voasambotra ka nahitana moto marika Milango_2580_TBG iray tsy misy taratasy mazava. Nogiazana avy hatrany ity moto farany raha naverina tamin'ny tompony kosa ilay moto racing. Efa natolotra ny fitsarana moa ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika ilay voasambotra. Mitohy kosa ny fikarohana ilay namany.
Pati
Légende : Ity ilay tovolahy mpanendaka mpitondra taxi-moto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT