Mpanendaka natahototra fitsaram-bahoaka

Nitsoraka tany anaty rano, tsy fantatra na maty na velona


  • Talata 09 Janoary 2024

Hay matahotra fitsaram-bahoaka ihany ireny mpanendaka ireny rehefa tena tapi-dalan-kaleha.

Mpanendaka iray omaly Alatsinainy 08 Janoary no niantso vonjy tamin’ny mpaka fasika teny amin’iny digy lalovan’i Ranon’Ikopa iny rehefa avy nanendaka vehivavy iray monina ao Anosizato Anosimahavelona. Nanohitra avy hatrany mantsy ilay vehivavy no sady niantso vonjy ka ankoatra ireo fokonolona tonga nanavotra azy dia feno mpilalao baolina kitra nitangorona ihany koa teo akaikiny. Natahotra ireto farany ilay mpanendaka ka nitsoraka tao anaty rano. Tsy nahay nilomano anefa izy nandritra izany ka nangataka famonjena tamin’ireo mpaka fasika teny an-toerana indray saingy mbola novelesin’ireto farany tamin’ny hazo. Tsy nipoitra intsony ilay mpanendaka vokatr’izany ka tsy fantatra na maty na velona.
Pati
Legende : Tety amin’ny ranon’Ikopa tety no niseho ny tantara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT