Fandriampahalemana

Mpanendaka mitondra “moto” Ramatoa mihaja be no mpamatsy vola


  • Zoma 15 Desambra 2017

Fomba hafa indray no ampiasain’ny mpanendaka amin’iny faritra Andoharanofotsy iny, raha ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray lasibatra teo akaikin’ny ACCES Bank Andoharanofotsy ny talata 12 desambra lasa teo.

Mpitondra moto mody nikivilavila no nisintona ny poketran’ny renim-pianakaviana iray ary nitsoaka avy hatrany. Nisy olona nitondra fiara avy nividy vy tamina toeram-pivarotana nahatsikaritra ny zava-niseho ka nanenjika avy hatrany ilay mpanao ratsy nitondra moto. Nivily teo amin’ny sampanana mihazo an’i Mahabo Andoharanofotsy ilay moto, nanenjka hatrany ilay mpamily. Rehefa ho tratra ilay mpangalatra dia nadonany tamin’ny tamboho ny moto ary nifona sy nandohalika izy. Vetivety dia nitangorona ny olona, ka nidaroka sy nandratra azy. Tavela teo ny moto, izay voalaza fa notazonin’ny zandary. Niverina teo amin’ilay lasibatra ny mpamily sy mpanao ratsy efa naratra. Nifompona teo ilay mpanao ratsy ary natao ny fifanarahana. Nilaza ilay renim-pianakaviana lasibatra fa tsy nanana afa-tsy 7000Ar. Nomeny an’ilay mpanavotra ny 5000Ar. Ilay mpanendaka kosa noterena handoa 100 000 Ar ho vidin-tsolika.

Vehivavy mihaja no mamatsy ara-bola

Nilaza ho tsy manam-bola sy tsy manana finday izy ka ny an’ilay lasibatra indray no nomena niantsoany ny olona hanatitra vola. Afaka adiny iray dia tonga tokoa ny vehivay iray mihaja nandeha fiarakaretsaka. Vao nidina izy dia nilaza ilay mpangalatra hoe : “Omeo 1 hetsy ariary io olona io hividianana gazoala, fa tratra aho”. Nalefa tamin’ny alalan’ny Mvola ilay iray hetsy ariary, ka vao vita izay, dia lasa niaraka tao anatin’ilay fiarakaretsaka izy ireo. Ny mahazendana ao anatin’ilay raharaha dia ny hoe: efa mpamatsy sy mpaniraka ilay olon-dratsy izany ilay ramatoa, ary mety maromaro mihitsy izy ireo no ao anatin’ny tambajotra. Mety efa hatrany amin’ny mpitandro ny filaminana no hanaovany kolikoly rehefa tratra ireo irakiraka ampiasainy amin’ny resaka halatra avo lenta tahaka izao, ary mety efa misy mihitsy ny tsikombakomba sy ny kopaka hisasahana amin’ny zavatra azo. Toa tsy sarotra tamin’izy ireo akory ny nandoa vola 1 hetsy ariary teo no ho eo. Efa tena maro ireo fomba enti-mangalatra sy ireo mpiray tsikombakomba ao anatiny. Lasa karazana orinasa kely mihitsy ny tambajotrana mpanendaka sy mpangalatra. Mila mailo hatrany ny rehetra.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT