Fandriampahalemana

Mpanendaka mitaingina moto Mikendry ireo olona leon’ny fitohanana amin’ny hariva


  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Mitady hevitra hatrany ireo mpanendaka eto amintsika mba hahazoany vola sy kojakoja entina mody isan’andro. Ankoatra ny sinto-mahery sy ny fanendahana ataon’izy ireo mahazatra dia fantatra fa manomboka mampiasa môtô indray izy ireny ankehitriny ka ireo mpandeha avy ao anaty taksibe leon’ny fitohanana amin’ny harivariva iny no tena lasibatra.

 

 

 

 

 Ho ana renim-pianakaviana avy niasa tany amin’iny faritra Andranobevava iny ny fiandohan’ny herinandro teo dia nitrosona sy niankarapoka tamin’ny tany mihitsy izy vokatry ny fisintoman’ireo  mpanendaka ny poketrany ka sady naratra izy no very fananana. Vao  ny talata maraina teo ihany koa dia lehilahy iray no lasibatra ka na dia niezaka ny nanenjika ireo mpanendaka aza ireo nanatri-maso dia tsy afa-nanoatra. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra manoloana ireny mpanendaka mampiasa môtô ireny. Fa ankoatra izay dia efa miroso amin’ny fanafihana ireo  olon-tsotra mitondra môtô ihany koa ireo mpanendaka.  Ilay aroloha iny no ezahiny vakiana amin’ny vy be ka rehefa mianjera ilay mpitondra dia entiny manaraka azy mora foana ilay môtô. Toerana maromaro ihany koa no efa nahitana ity tranga ity teto an-drenivohitra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT