Mpanendaka iray tao Toamasina

Nahatrarana rongony sy “seringue” fitsindronana heroïne


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Vehivavy iray ny harivan'ny 29 Aogositra lasa teo tokony ho tamin'ny 06 sy sasany no nisy nanendaka tao Tanambao V, Toamasina.

Lasan'ilay jiolahy tamin'izany ny findain’ity ramatoa ity izay fantatra fa vao 27 taona monja. Tsikaritr’ireo polisy izany asa ratsiny izany ka raikitra ny fifanenjehana ary tratra tsy lavitra teo ihany ilay jiolahy. Rehefa natao ny fisavana azy dia mbola hita teny aminy ilay finday ary mbola nahitana rongony sy "seringue" fitsindromana héroïne ihany koa. Ankoatra izay dia "puce" miisa 05 ihany koa no hita teny aminy niaraka tamin'ny fitaovana fampiasa amin'ny fanaovam-bolo. Hatolotra ny fitsarana anio Zoma 31 Aogositra ity jiolahy mpifoka sady mpanendaka ity.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ireo fitaovana tratra tany aminy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT