Fandriampahalemana

Mpanendaka iray nikoizana hatry ny ela lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana teny 67Ha


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Anisan’ny voasokajy ho tena faritra mena ny eny amin’ny 67 ha sy ny manodidina amin’izao.

 Voafaoka ao anatin’izany ny mihazo an’Andohatapenaka akaikin’ny FDC iny izay misy andian-jiolahy tsy latsaky ny valo isan-kariva mivoaka miaraka amin’ny antsy maranitra sy ny sabatra miandry ireo fiara na mpandeha an-tongotra tratry ny fitohanana eny an-toerana. Tsy mitazam-potsiny ny mpitandro ny filaminana manoloana izany ka jiolahy iray teo am-panendahana olona no lavon’ny balan’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Roalahy izy ireo no niaraka raha ny fantatra saingy tafaporitsaka ny iray. Ankoatra izay dia jiolahy miisa efatra mpanendaka nampitondra faisana ireo mponina teny Itaosy sy ny manodidina ihany koa no sarona ny faran’ny herinandro teo. Nisy tamin’izy ireo no tratra teny Ambaniala Itaosy, raha nisy ireo tratra teny Anosimasina, samy teo am-panaovana ny asa ratsiny avokoa. Hetahetan’ny mponina rehetra eny Itaosy ny tokony hanaovan’ny fanjakana ezaka hamongorana ireo mpanao ratsy amin’ny alalan’ny famoronana asa. Saika tsy miasa avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo mpanendaka eto amintsika, hany ka tsy matahotra ny mandroba sy mamono olona intsony na dia amin’ny andro antoandro aza.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT