Fandriampahalemana

Mpanendaka eny Itaosy 16 lahy no tratra ny faran’ny herinandro teo


  • Alatsinainy 24 Martsa 2025

Hitanay ireny antsoantsonareo ireny, hoy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao

Itaosy ny faran’ny herinandro teo. Voarainay ihany koa, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo, ireo loharanom-baovao omenareo anay aty amin'ny kaonty Facebook. Ianareo mihorakoraka hoe eto Bemasoandro, Ambohijafy misy mpanendaka ireny fa izahay eto amin'ny borigady efa mahasambotra olona. Efa niasa mangina. Ireto avoakanay manaraka ireto ireo mampitondra faisana ireo olona eny Morarano, Ambodihady, Andramahavola, Andrafotsilahy, Antanivory sy ny hafa tsy voatanisa. Ho anareo izay mahasahy mitoroka ireny dia misaotra, misaotra, tena misaotra! Ho ela velona!Hafatra ho an'ireo mpanao asa fanendahana izay mbola tsy tratra ny hoe efa miparitaka ny nomerao ahazoana ny Borigade Itaosy. Efa hain'ny olona ny kaonty Facebook! Teneno ny ankizy ry ray aman-dreny dien'izao fa mikato-trano sy manampin-tsofina izahay rehefa tratranay ireo olona voarohirohy mampitondra faisana ireo vahoaka ireo. Ho anareo izay iharan'ny fanendahana na vaky trano, aza adino ny mandalo aty aminay manao taratasy fitarainana! Ho anareo izay efa niharan'izany tamin'ireo faritra voatondro eo ambony, ireo izy 16 lahy nanao azy ka tongava mametraka fitoriana, hoy hatrany ny borigady etsy Itaosy. 16 lahy, araka izany, no nambara fa tratra ny faran’ny herinandro teo aloha, raha ny mikasika izay mpanendaka eny Itaosy izay. Andrasana indray ny tohiny!
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT