Fandriampahalemana

Mpanendaka eny Behoririka Manodidina ny 19 taona eo avokoa


  • Talata 30 Aogositra 2022

Ankizy vao erotrerony avokoa ireo mpanendaka eny Behoririka. Tovolahy kely iray vao 19 taona monja no tratra

ambodiombin'ireo Polisy avy ao amin'ny 2 eme compagnie Urbaine Intervention Tsaralalana teny amin’iny faritra iny omaly alatsinainy 29 Aogositra rehefa nanao harom-paosy teny an-toerana . Tokony ho tamin'ny 11 ora sy 30 minitra teo ho eo izy no tratra. Lehilahy iray variana nanontany vidin’entana no nodominy mafy tampoka. Fantatr’ilay lehilahy fa misy mangarona ny paosiny araka izany ka niantso avy hatrany ireo Polisy izay tsy lavitra teo izy. Nitsoaka ity mpanao ratsy ity rehefa nifanenjehina ka tratran'ny Polisy ihany tsy alavitra teo. Noentina tany amin’ny birao ity farany nanaovana fanadihadiana. Araka ny fantatra tao anatin’ny fanadihadiana natao taminy dia efa fanaony izao asa ratsy izao sady efa fetsy amin'ny resaka harom-paosy izy ka tsy mifidy izay tratrany na mpiantsena io na mpandalo. Miandry ilay olona variana manontany sy hividy entana iny izy ka amin’izay no hanaovany ilay harom-paosy Eny Behoririka sy Building Ramaroson Soarano no fantatra fa toerana fanendahany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT