Fandriampahalemana

Mpanendaka eny Antohomadinika Nahatrarana antsy maranitra sy fitaovam-pitsindromana rongony


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Tena tsy misy izay tsy miara-dalana amin’ny rongony intsony ireo mpanendaka eto amintsika. Sady mifoka mantsy izy ireo no mampihatra herisetra amin’izay olona sendra azy,

antony mahatonga ireo tsy manan-tsiny sasany ho voaolana sy voatsindron’antsy. Manaporofo izany ny fisiana mpanendaka roa efa fanta-daza tratra teny amin’ny toby fiantsonanan’ny taxibe eny Antohomadinika. Niaraka tamin’ny antsy mananitra iray sy fitaovam-pitsindroman-drongony izy ireo nandritra izany. Andro mazavabe tokony ho tamin’ny 04 ora hariva no nahatrarana azy ireo teny an-toerana izay fantatra fa mponina avy ao Ambodivoina Anosizato Andrefana. Polisy nanao fisafoana moa no nahatratra azy ireo izay marihina fa mitondra kitapokely hatrany hanafenany ireo fitsindroman-drongony sy fitaovana famonoana olona entiny.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT