Fandriampahalemana

Mpanendaka eny Anosibe Sady manapaka tanana no maka vola


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Mirongatra ny asa fanendahana miaro fandratrana olona eny Anosibe ao anatin’ny Boriborintany fahefatra.

 

 

 Olona roa isan’andro raha kely no voaendaka eny an-toerana,  raha ny fitarainan’ny mponina. Manomboka eo amin’ny lalamby hatrany Anosibe no tena hitrangany. Amin’ny 4 ora maraina izy ireo no manao ny ataony mandrapahazava ny andro. Ireo mpaka entana handeha hiantsena no tena mahita faisana. Mitohy manao ny asa ratsiny indray ny hariva manomboka amin’ny 7 ora raha tara indrindra mandrapahatonga ny amin’ny11 ora alina any ho any. Ankizy vantombantony avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ireo raha araka ny fanazavan’ny mponina, eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 17 taona. Manao andiany izy ireo ka miisa dimy raha kely indrindra, mahatratra folo kosa ny sasany. Mifandrimbona izy ireo manatanteraka ny asa fanendahany ka ny sasany manambana antsy sady manendaka pôketra na kitapo, ny hata maka avy hatrany ny rojo sy ny peratra ary ny  telefaonina. Misy mihitsy ireo sahy manapaka tanana. Mangataka ny mba hisian’ny mpitandro ny filaminana hanao fisafoana matetika eny amin’ity faritra ity ny mponina na koa hametraka  borigady eny an-toerana hahafahana manafoana ny asan’ireo mpanao ratsy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT