MPANENDAKA ENY

ANDRANOMANALINA Efa mpamerin-keloka ireo ny ankamaroany


  • Zoma 26 Aprily 2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Vao 18taona avokoa ireo voasambotry ny Polisin'ny CSP4 Isotry tao an-toerana ny 24 Aprily lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia aharay fitoriana tamina ramatoa iray ny Polisy ny 23 Aprily lasa teo fa nisy lehilahy telo nitondra antsy nandroba azy teny Andranomanalina ary lasan'ireo olon-dratsy nandritra izany ny findainy, ny perany ny karapanondrony niampy lela-vola 120 000 Ar. Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy ny 24 aprily teo moa no nahatrarana ny lehilahy iray efa mpameri-keloka amin'ny resaka halatra miaro herisetra tahaka izao ka voamarina fa isan'ireo nanendaka ilay ramatoa izy io. Rehefa natao ny fikarohana ny namany roa hafa dia voasambotra teny Ampefiloha ireto farany. Marihina fa efa voasambotra nandritra ny hetsika SARIKA 1 ireto roalahy ireto. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy mivonona ny ho eny Antanimora indray !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT