MPANENDAKA ENY ANDOHATAPENAKA

Amin’ny 04 ora hariva dia efa mivoaka


  • Zoma 15 Septambra 2023

Tafiditra ao anatin’ny faritra mena ny faritr’Andohatapenaka sy ny manodidina iny. Vao tamin’ny 04 ora hariva ny 12

Septambra lasa teo dia tovolahy iray vao 23 taona monja mpanendaka no tratra nitondra antsy maranitra nivezivezy teny an-toerana. Polisy manao fanamiana sivily no nahatsikaritra azy io rehefa nikasa hanendaka olona teo amin'ny tobim-piantsonan’ny taxibe akaikin'ny Vaniller Hotel. Vao nanatona ny Polisy dia nandositra ity farany saingy tratra ihany. Araka ny angom-baovao azon'ny Polisy dia efa matetika manao izao asa ratsy izao eny amin'ny manodidina ny 67ha ity farany sy ny namany hafa. Maromaro izy ireo no manao izany ka mahavita manindrona antsy olona mihitsy ny sasany na dia amin’ny volakely 5.000 Ar monja aza. Hiakatra fampanoavana anio Zoma 15 Septambra moa ny raharaha. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana mpanendaka miaraka amin’ny antsy eny Andohatapenaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT