Fandriampahalemana

Mpanendaka eny Analakely Am-polony maro no tratra sy nalefa any am-ponja


  • Talata 21 Novambra 2017

Mila miatrika sy manao fety am-pilaminana ny vahoakan’Antananarivo, hoy ny kaomisera Rabenandrasana Jean Michel omaly, eo anivon’ny Boriborintany voalohany.

 

 Nisy ny ezaka goavana efa notanterahin’izy ireo, hetsika efa nanomboka tamin’ny volana oktobra lasa teo entina hamongorana ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery manodidina an’Analakely. Amin’ny ankatoky ny fety tahaka izao mantsy no tena mahabetsaka ireo mpiantsena eto an-drenivohitra ka tsy maintsy jerena manokana izy ireo. Am-polony ireo mpanao ratsy efa tratran’izy ireo ary isaorany ny fitsarana manokana fa efa nampidiriny am-ponja vonjimaika avokoa ary tsy mbola nisy niverina eny anivon’ny fiarahamonina hatreto. Sivy taona no kely indrindra amin’izy ireny izay efa nalefa eny Anjanamasina avokoa, toerana fitaizana zaza maditra, ankizy mpatory an-dalambe ary 64 taona no zokiny indrindra. Nanamafy moa ity kaomisera iray ity fa mbola hitohy hatrany ny ezaka hataon’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarahany miasa miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Easy Parc amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana manodidina an’Analakely.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT