Fandriampahalemana

Mpanendaka eny amin’ny « arrêt bus » 67 ha


  • Talata 18 Jolay 2023

Telolahy niaraka tamina antsy lavalela no indray tratra omaly

Tena efa faritra mena amin’ny asa fanendahana mihitsy ny eny amin’iny tananan’ny 67 ha iny amin’izao. Tsy mifidy ora intsony izany fa amin’ny fotoana rehetra. Tsy matahotra ihany koa ireo jiolahy fa miaraka amin’ny fitaovana mahery vaika toy ny antsy lava lela sy ny basy mihitsy ho an’ny sasany ka tsy vitsy ireo efa lasibatra. Telolahy no indray tratran’ny polisy nanao fanamiana sivily omaly teny an-toerana. Nandritra ny fanaovana fisafoana tamin'ny hariva nataon’ireto farany no nahatrararana azy ireo nijorojoro manao fihetsika hafahafa manara-maso mpandeha an-tongotra tetsy amin'ny tobim-piantsonan’ny taxibe 67 ha atsimo akaikin’ ny ravitoto. Rehefa nanatona azy ireo ny Polisy dia nirifatra nandositra izy telolahy ary latsaka avy tao anaty akanjon'ny anankiray amin'izy ireo ny sabatra lava lela iray . Tsy afa-nandingana firy moa ireo olon-dratsy dia tratran'ny Polisy ary nosamborina avy hatrany. Fantatra fa mpanendaka eny amin'iny faritra iny izy ireo ary efa mpamerin-keloka ihany koa .
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT