Fandriampahalemana

Mpanendaka anaty taxibe Lehilahy iray tratran’ny polisin’ny SAG tetsy Anosibe


  • Alatsinainy 19 Septambra 2022

Lehilahy iray 23 taona no voasambotry ny Polisin'ny SAG teny Anosibe ny Sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina rehefa avy nanendaka.

Anisan'ny toerana mafana fanaovan'ireo jiolahy ny asa ratsiny eny amin'iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny noho ny hamaroan’ireo olona mifamezivezy eny an-toerana andro aman’alina. Nohamafisina ny fisafoana natao araka izany ka jiolahy iray no tratran’ny Polisin'ny SAG ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny. Eny amin'ny tobim-piatsonan'ny taxibe Anosibe ity lehilahy ity no mijoro raha araka ny fantatra. Toy ny miandry bus izy mandritra izany ka rehefa misy fiara fitateram-bahoaka dia miditra ao anatiny misisika miaraka amin'ny olona izy. Tazan'ny Polisy anefa ny fihetsika hafahafa nataon'ity farany ka niditra an-tsehatra nisambotra azy avy hatrany iretsy voalohany. Noentina teny amin'ny Kaomisarian’i Mahamasina ity jiolahy ity nanaovana fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT