Fandriampahalemana

Mpandraharaha voatafika tao Mahitsy Jiolahy roa matin’ny zandary, nanjavona ny ampaham-bola


  • Zoma 08 Aprily 2022

Jiolahy roa nanafika mpandraharaha handeha hamonjy banky no lavon'ny zandary omaly 07 aprily 2022 tokony tamin'ny 08 ora maraina tany Mahitsy.

Raha araka ny fantatra dia mpandraraha iray avy Ampanitokana handeha hanatitra vola mitentina 30 000 000 Ar ity voatafika ity raha misa 5 kosa ireo jiolahy nikaon-doha tamin’izany. Nitsoaka nihazo ny lalam-pirenena faha 04 izy ireo taorian’izany. Tao amin'ny fokontany Ankadimainty Manakambahiny kaominina ambanivohitra Anosiala Distrikan'Ambohidratrimo no raikitra ny fifampitifirana rehefa nahita ny sakana nataon'ny zandary ireo Jiolahy.Lavo tamin'izany ny Jiolahy miisa 02 ary azo ihany koa ny basy miisa telo sy bala 10 (calibre 12 sy 7,65 mm) nampiasain’izy ireo. Tafaporitsaka kosa ireo jiolahy miisa 3 ambiny ary mbola hifanenjehana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Na izany aza azo ihany ny ampahany tamin’ny vola voaroba.
Pati \
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT