Mpandraharaha vahiny nisy namono tao Toamasina

17 taona niasana teto, teo am-pikasana hody no maty


  • Zoma 23 Aogositra 2024

Vaovao isan’ny nitana ny sain’ny maro tao Toamasina ny famonoana teratany Réunionais antsoina hoe :

Frédéric Marimoutou 62 taona maty norobaina sady nisy nanindrona zava-maranitra ny tendany ny ny faran’ny herinandro teo. Nisy nandroba ny vola tao anaty poketrany, tsy tany aminy intsony ny findainy. Mbola teny aminy ny bracelet, ny peratra mariaziny, mbola teny aminy ihany koa ny pasipaorony,… Talohan'ny nahitana azy dia nisakafo tao amin'ny trano fisakafoanana iray i Frédéric Marimoutou. Ny hariva dia voalaza fa hita tao amin’ny trano fisotroana iray, 500 metatra avy teo amin’ny toerana nahitana ny fatiny, tamin'ny lálana mankany amin'ny hopitaly Morafeno Toamasina efa tsy nisy aina intsony, ora vitsivitsy taorian’izay, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, ny alatsinainy 19 aogositra lasa teo, raha ny tsiahivina. Raha ny fanampim-baovao, mpandraharaha efa tena nonina ela teto izy io, nanangana orinasa mpanondrana voankazo efa 17 taona. Voalaza fa nikasa hody any La Réunion amin’ny volana oktobra ka mety izay no nifofoana ny ainy nakana ny volany, ary karazan’ny efa narahi-maso niainga tany an-tranony, raha ny fanamarihana. Efa mandeha ny fanadihadiana. Manaratsy endrika hatrany an’i Madagasikara ny tahaka izao satria sady mety hampihemotra ireo te hampiasa vola no mampihemotra ihany koa ny mpizahatany, kanefa isika mieritreritra hanatratra mpizahatany 1000 000 ao anatin’ny 3 na 4 taona,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT