Fandriampahalemana

Mpandraharaha saika nisy nanafika Voafandrika ireo jiolahy


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Tambajotran-jiolahy hanomana fanafihana mitam-piadiana no voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, sakelika voalohany, ny sabotsy 23 desambra teo teny Tanjombato.

Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mitana basy eny Tanjombato iny. Natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ary ny fanarahan-dia ka lehilahy miisa telo no voasambotra. Lehilahy iray antsoina hoe Hery, 30 taona no voasambotry ny polisin’ny SAG teny Tanjombato. Rehefa nosavaina anefa izy dia tsy hita tany ilay basy. Tamin’ny fanadihadiana azy dia nanoro ny namany indray izy ka tratehaky ny polisy tamin’io andro io ihany koa i Francis, 29 taona teny Tanjombato, izay namany ihany. Tsy mbola hita tany aminy koa ilay basy, ity farany no nanoro fa any amin’ilay namany iray ilay basy. Natao ny fisamborana ka tratra teny Tanjombato io sabotsy io koa i Jean Marcelin, 34 taona. Rehefa nohadihadiana izy dia nanoro ny nanafenany an’ilay basy izay nafenina tao anaty tranon’akoho. Basy PA sy bala tsy tena izy miisa 5 sy bala tena izy 1. Tamin’ny fanadihadiana an’i Marcelin dia basy saika hanaovana fanafihana mpandraharaha eny Avaratra Ankatso omaly, alarobia na anio, alakamisy ity basy tratra ity. Efa nigadra teny Antanimora izy izao tratehaka izao indray, raha ny fanamarihana voaray. Natolotra ny fampanoavana omaly alarobia, 27 desambra 2017, ny raharaha.

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT