MPANDEHA TAO ANATY TAXI-BROUSSE

Notsindromin’ilay vehivavy antsy ilay olona teo akaikiny


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Aleo malimalina ihany rehefa mitaingina taxibe na taxi-brousse.

Tsy fantatra intsony mantsy izay zavatra mety hitranga indrindra amin’izao hasarotan’ny fiainana izao. Misy ny olona heverina ho salama saina tsara mipitika vetivety eo, raha misy ihany koa ireo heritreretina ho sitrana nefa manao ny hataony tampoka. Tsy misy hafa amin’izay ny fihetsika nataon’ity vehivavy iray, mpandeha tao anaty fiara fitateram-bahoaka avy any Mahajanga ho any Toliara ny Zoma lasa teo. Notsindrominy antsy tampoka mantsy ilay lehilahy nipetraka teo akaikiny ka naratra mafy ny tanan’ity farany. Niantso zandary haingana ilay mpamily nanoloana izany raha nentina namonjy mpitsabo ilay naratra. Notazonina tao amin'ny biraon'ny zandary ihany koa ilay vehivavy nandratra olona. Nambaran’ny vadin’ity vehivavy ity nandritra izany fa misy tsy fahasalamana tampoka izay ny sain'io vadiny io indraindray. Na izany aza tsy maintsy niantohany ny fitsaboana ilay mpandeha naratra. Tsy nanaiky ny nijanona moa ity farany satria mbola maika fahoriana no sady tsy nitory ihany koa ka nizotra hatrany ny dian’ireo mpandeha tao anaty fiara. Tsy nisy nety niaraka tamin'ilay vehivavy kosa ireo mpandeha rehetra ka voatery najanona tao Ambatolampy izy 5 mianaka. Niaraka tamin’ny zanany telo mantsy io Ramatoa io sy ilay vadiny. Efa nitadiavam-bahaolana kosa anefa ny fahafahan’izy ireo mamonjy fodiana.
Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa nandratra olona sy ilay taxi-brousse nandehanany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT